AVELANAO HITIA ANAO VE ANDRIAMANITRA ?
-------- c.c.c. &&& c.c.c. --------
 

 

Lioka 2:4-11 4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanànan'i Davida, izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny). 5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka. 6 Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany. 7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. 8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. 9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.”

 

1)      Tonga i Jesoa Kristy hamonjy ny olombelona

Vonjena @ inona?

a)      Fahafatesana mandrakizay: heloLioka 16:19-31: Lazarosy sy ilay mpanankarena. Tsy ohatra no nanaovan’ny Tompo azy fa tena tantara marina.

·        Tsy misy olona ‘tsara’. Mieritreritra anao ho tsara ve ianao satria mbola tsy nanao fahotana izay heverinao fa tena ratsy toy ny mamono olona, nandroba banky, eny manambaka ny madinika, misoloky, sns.

·        Araka ny ‘standards’ n’Andriamanitra dia meloka daholo isika. Iza no mbola tsy nandika ny didy folo tamintsika?

-        Mamono olona. Hoy Jesoa: raha tezitra @ rahalahinao ianao ka miantso azy hoe foka dia mendrika ho ao @ helo mirehitra afo (Matio 5:21-22)

-        Aza mijangajanga. Hoy Jesoa: Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady (Matio 5:28)

Romana 3:23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.”

ð     Mpanota isika rehetra. Tsy misy marina na iray aza. Mendrika ho any @ helo daholo.

ð     I Jesoa irery no lalana mankany @ Andriamanitra. Jaona 14:6 “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy misy olona mankany @ Ray, afa-tsy @ alalako.”

 

Ahoana no namonjen’i Jesoa antsika tamin’izany?

Izao no voalazan’ny Soratra Masina:

  • Maty nisolo heloka antsika teo ambony hazo fijaliana i Jesoa.
  • Fanatitra tanteraka (sacrifice parfait). Tsy maintsy olona mbola tsy nanota no nisolo heloka antsika fa raha tsy izany tsy tanteraka ny fanatitra. I Jesoa irery no olona nandeha tety ambonin’ny tany ka tsy mba nanota, na dia nalaim-panahy toa antsika ihany aza Izy.
  • Raha tsy misy ra latsaka tsy misy famelan-keloka. Andriamanitra dia Mpitsara marina ka tsy maintsy manameloka izay meloka rehetra.

Tantaran’ilay mpitsara (juge) sy ilay zanay vavy nandika lalànan’ny fifamoivizana

 

b)      Vonjena @ hadalantsika isika

Tsy ho any @ fiainana mandrakizay ihany no amonjen’i Jesoa antsika fa dieny mbola ety ambonin’ny tany.

Jesoa tonga mba hananatsika fiainana be dia be. Jaona 10:10Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.”

·        Manafaka antsika @ fatorana rehetra Izy: fahotana, tahotra, tebiteby, aretina sns

·        Ny fiainana nomanin’A/tra anao no mety/tsara indrindra aminao. Tsy resaka ‘materiel’ ihany, tsy hoe lasa milliardaire daholo, fa misy planin’A/tra ho an’ny tsirairay. Jer 29:11 “Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.”

·        Tsy hoe tsy misy olana intsony rehefa manolotra ny fiainanao an’ny Tompo, fa na ao anatin’ny olana sarotra aza ianao dia omeny ilay fiadanana tsy misy mitovy aminy ao anatinao ao; omeny ny fahasoavany ianao mba hahafahanao mamaky ady sarotra. Indraindray koa ny olana sy ady sedraintsika avelan’A/tra hihatra amintsika mba hampitombo antsika, hahamatotra, hahafahany manome andraikitra bebe kokoa antsika. Ny zazakely tsy azo ampiandreketina zavatra lehibe. Mila olona matotra ara-panahy A/tra. Ilay toetra no volavolainy @ izany.

·        Fohy ihany ny fisainantsika raha mikatsaka izay heverintsika fa mahasoa antsika ety ambonin’ny tany ety isika. Fantatrao daholo angaha ny ho avy rehetra?

 

2)      Manaiky ho vonjena sy tiavin’Andriamanitra ve ianao?

a)      Tsy manery Izy-Safidy malalaka

·        Ny fitiavana tsy mba misy fanerena. Na dia tsy hanaiky Azy mandrakizay aza ianao, tsy afaka manery anao Izy. Mila antsika mnome alalana Azy mba hiasa ao @ fiainantsika Izy fa tsy misisika.

·        Satana tsy maka alalana avy aminao fa misisika rehefa mahita irika.

-        Tantara trano sy Jesoa nivahiny.

 

b)      Te-hanana fifandraisana aminao Izy

·        Tsy hoe te-hanome ny tsara indrindra ho anao ihany Izy fa te hanana fifandraisana akaiky aminao (relation intime). Ahoana no andrenesanao ny feon’A/tra raha tsy fantatrao akory Izy miresaka aminao. Tsy afaka hahalala ny planin’A/tra momba ny fiainanao ianao raha tsy mahay mihaino ny feony.

·        Tsy afaka manana fifandraisana @ A/tra ianao afa-tsy @ alalan’ny Zanany Jesoa Kristy.

·        Raha mahalala (revelation) ny fitiavan’A/tra anao ianao dia manana fahasahiana eo anoloan’ny zavatra rehetra, tsy manana tahotra satria ilay Andriamanitra Jehovah nahary izao tontolo izao dia tena miraharaha anao manokana. Tena tia anao. Izay mankarary anao mba mankarary Azy, izay mampalahelo ny fonao mba mahavaky fo Azy koa.

-        Anakandriamason’A/tra ianao;

-        Voaisan’A/tra ny volo eo ambonin’ny lohanao;

-        Izy no namolavola anao tao @ kibon’ny reninao.

 

3)      Inona no dikan’izany rehetra izany?

a)      Omen’Andriamanitra safidy ianao androany:

·        Hiaraka Aminy @ andronao rehetra sa hahaleo tena ihany

·        Hifidy fiainana mandrakizay miaraka @ Andriamanitra sa ho tafasaraka tanteraka aminy any @ helo.

b)      Ny atao hoe fiainana Kristiana?

·        Tsy fanarahana didy sy lalàna;

·        Tsy fanarahana fombafomba. Tsy ny olona mandeha miangona any am-piangonana isan’Alahady no atao hoe tena mpivavaka sy voavonjy; fa ny olona voavonjy mandeha miangona!

·        Manolotra ny tena, saina, fanahy ie ny fiainanao manontolo ho an’i Jesoa;

·        Manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina;

·        Tsy te-hanao ny sitraponao irery intsony fa te-hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra izay voalazany ao @ Teniny ie ny Baiboly (taratasim-pitiavana avy aminy). Izany hoe mila mamaky ny Baibolinao isan’andro ianao mba hahafantaranao an’A/tra.

ð     Tsy mahaleo tena fa miankina tanteraka amin’A/tra toy ny zaza @ rainy.

ð     Avelanao hitia anao ve Andriamanitra? Mety ho diovin’ ny Ràn’i Jesoa ve ianao?

 

Vavaka fanoloran-tena na fanavaozanao ny fanekena nataonao t@ ny Tompo

 

Andriamanitra o,

Miaiky ny fahotako rehetra aho.

Mifona aho fa nitondra ny fiainako araka izay sitrapoko foana.

Atolotro anao ny foko, ny tenako, ny saiko, ny fanahiko ary ny fiainako manontolo ankehitriny.

Diovy amin’ny rànao aho Jesoa, mba hadio @ fahotako rehetra

Ka ho tonga fotsy mangatsakatsaka toy ny oram-panala.

Meteza ho Tompo sy Mpamonjy ahy Jesoa a!

Aoka ho anao irery aho manomboka izao fa tsy an’ny devoly intsony.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpanjaka mandrakizay.

Amena!