"mba ho iray ihany
izy rehetra" (Jaona 17. 21)

 


 

Telefona: 1-703-398-4141
E-mail: info@fiangonanaetodc.org

 
FanDraisana | Fanasana | Fiarahamivavaka | Sary Tahiry | Toerana | Fifandraisana

Fiarahamivavaka

 

MOMBAMOMBA NY FIANGONANA

Ny Fiaraha-mivavaka Iraisam-pinoana Kristianina Malagasy Washington, D.C. sy ny manodidina dia fiarahana mivavaka tsy manavaka finoana ho an'ny Kristianina Malagasy tsy an-kanavaka eto amin'ny faritry ny Washington, D.C. sy ny manodidina rehetra. Izany dia tontosaina in-telo isan-taona dia ny Krisimasy, ny Paska ary ny fankalazana ny fetim-pirenena izao atao ny alahady manodidina ny 26 Jiona. Tsy voafetra amin'ny fitoam-pivavahana anefa fa misy koa ny fihetsiketsehana toy ny fitsangatsanganan'ny Malagasy rehetra miara-mivavaka.


NY MPIKARAKARA

Ny Komity mpikaraka moa dia olona manendry tena amin'ny mpiara-mivavaka ary malalaka ho an'ny rehetra ny firotsahana ao. Ny Komity dia miara-miasa amin'ny fanatontosana ny fiaraha-mivavaka sy ny fihetsiketsehana toy ny fitsangatsanganana.


NY MPITARIKA

Ny mpitarika ny fotoana dia Ray aman-dreny am-panahy avy amin'ny finoana Kristianina samihafa. Tsy misy mpitarika raikitra moa fa manasa Ray aman-dreny am-panahy isaky ny misy fiaraha-mivavaka.


 

 

Krismasy 2007

Tonga indray ity ny Noely fankalazana ny nahaterahan地y Mpamonjy koa dia faly manasa antsika rehetra eto amin地y Washington, D.C. sy ny manodidina, sy ny vahiny mandalo, ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka mba hiaraka hankalaza ny Krismasy ny Sabotsy 22 desambra 2007 amin地y 7 ora sy sasany hariva ao amin地y Wesley Theological Seminary

4500 Massachusetts Ave Washington, DC 20005.

Aorian地y fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-misakafo koa iangaviana isika mba hivimbina sakafo hiarahan地y mpianakavy mifaly (Jereo eto Lisitra). Ny fitaovana, ny zava-pisotro, ary ny mofomamy dia ho raisin地y Fiangonana anjara.
> Tohiny

Fandraisana Anjara

Ny fiaraha-mivavaka moa dia fotoana iarahan地y Malaュgasy midera an但ndriamanitra ary koa maneo firaisankina sy fiaraha-mifaly. Mba hahatontosa tsara ny fiarah-mivavaka amin地y Krismasy sy hanamafisana ny firaiュsantsika hina dia maro ny fomba hahazoana mandray anjara mba hahatanterahana izany. Ireto manaraka ireto no azonao handraisana anjara
> Tohiny

Hafatra