|
"Ary hoy ny anjely taminy: Aza
matahotra fa indro milaza teny soa
mahafaly aminareo aho,
dia fifaliana lehibe izay ho an’ny
olona rehetra fa Mpamonjy no teraka
ho anareo anio
ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy
Tompo." Lioka 2: 10, 11

Tonga indray ity ny
Noely fankalazana ny nahaterahan’ny
Mpamonjy koa dia faly manasa antsika
rehetra eto amin’ny Washington, D.C.
sy ny manodidina, sy ny vahiny
mandalo, ny Komity mpikarakara ny
fiaraha-mivavaka mba hiaraka
hankalaza ny Krismasy ny Zoma 25 Desambra 2009, amin’ny
5 ora hariva ao amin’ny
Wesley Theological Seminary
4500 Massachusetts Ave Washington, DC 20016.
Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy
fiaraha-misakafo koa iangaviana
isika mba hivimbina sakafo
hiarahan’ny mpianakavy mifaly: vary
sy loaka ary desera.
>
Tohiny |