|
Tonga indray ity ny fotoana
hankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy Tompo
Mpamonjy antsika ka manasa ny rehetra ho tonga maro
hiara-hivavaka ny
Zoma 25 Desambra 2009
amin'ny 5 ora hariva
ao amin'ny
4500 Massachusetts Avenue, NW
Washington, DC 20016
Ny fotoana dia hisy famakiana
sy fitoriana ny tenin'Andriamanitra, hiran'ny Korala,
ary hira sy tsianjerin'ny ankizy sy ny tanora.
Aorin'izany dia hisy fiaraha-misakafon'ny mpianakavy,
koa manasa antsika mba hitondra sakafo: vary sy
loaka ary desera mba hiaraha-mifaly.
Marihina fa ny fotoana rehetra
dia ho atao ao amin'ny cafeteria ao ambany noho ny
fanamboarana izay atao ao amin'ny fiangonana.
Koa maniry antsika ho tonga
maro. Iangaviana koa isika izay mahita ity fanasana
ity mba hanaparitaka azy amin'izay tsy tratrantso.
Homba antsika hatrany ny Tompo,
Ny Komity
info@fiangonanaetodc.org
|